Sabotsy 30 Aprily 2022

by Mofonaina–SA-FJKM

LIOKA 21.12-19

Tian’ny Tompo handresy isika ka

1-Ampiomany mialoha

Mampiomana antsika izay hitranga amin’izao vanim-potoana farany izao ny Tompo . Hisy fisamborana sy fampidirana am-ponja , hisy fampijaliana noho ny Anaran’Izy Tompo , hisy ny havana akaiky hanolotra sy hamadika , ny fankahalana .Izay tsara fiomanana tsy tampohan’ny loza .Tia antsika ny Tompo ka mampahafantatra antsika mialoha izay hitranga .

2-Tolorany saina

Tsy miomana amin’ny fampiomana mialoha ihany no Tompontsika fa manolo-tsaina ihany koa Izy . « Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo , fa Izaho hanome anareo vava sy saina izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena « (and14-15).Omen »ny Tompo antsika ny Fanahy Masina , Ilay mpanolo-tsaina , mpisolo vava hanome antsika vava sy saina entina miatrika sy mandresy ny fahavalo .

3-Omeny toky

« nefa tsy hisy ho very na dia singambolo iray eo amin’ny lohanareo aza » (and18).Ireo fiasan’ny Tompo tamin’ireo mpanompony natoky Azy hatramin’izay dia tsy miova omaly sy anio ary rahatrizay .Ny fandresena ny lafaoro mahamay , ny liona noana, ireo karazana Goliata izay miseho amin’ny endrika hafa indray dia azo resena tsara .

4-Omeny paikady mazava tsara

« Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo « (and8). Efa nambaran’i Jesoa «  »fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena (Mar 13.13)

Fanontaniana :

Inona no azonao ambara momba ny fitiavan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro