Romana 6. 8-14

Rava ny herin’ny ota

Manome andiana fanazavana mafonja i Paoly eto amin’ity Romana 6 ity, mikasika ny fahafahana amin’ny fangejan’ny ota. Rava ny herin’ny ota satria :

1 – Miara-miaina amin’i Kristy ny mpino (6. 8- 10)

Eo amin’ny fotoana andraisan’ny mpino an’i Kristy, dia raisin’Andriamanitra an-tànana ny fiainany. Ny firaisantsika amin’i Kristy dia manomboka eo amin’ny fahafatesantsika ao amin’ny ota, ary mitohy amin’ny fiainana ao amin’i Kristy mandrakizay. Miara-miaina amin’i Kristy ny mpino satria :

2 – Maty ny amin’ny ota fa velona ao amin’Andriamanirra (6. 11-14)

Amin’ny maha mpino antsika dia tokony hihevitra mandrakariva isika fa olona maty, nefa novelomina ao amin’i Kristy mba hiainana amin’ny maha olon’Andriamanitra antsika. Efa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Kristy ilay isika taloha. Tsy tokony hanjaka ao amintsika intsony ny ota, fa tokony hanolotra ny tenantsika ho anAndriamanitra, ka ny momba ny tenantsika dia ho fiadian’ny fahamarinana. Ambarao eo amin’ny hafa fa velona ao amin’i Kristy ianao mba ho fianarana ho azy koa. Rava ny herin ny ota, miara-miaina ao amin’ny Tompo ny mpino, velona mandrakizay.

Fanontaniana :

Fahavelomana ao amin’ny Tompo ve ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM