SALAMO 56.1-13

Ny fiantorahana amin’Andriamanitra

1-Mitaky fatokiana

Niantoraka tamin’Andriamanitra i Davida ka nanao antso avo ny hamindrana fo aminy , satria mafy ny fanafihana nataon’ny fahavalo . Ao anatin’izany anefa no nanehoany ny fatokiany an’Andriamanitra . Nitaraina taminy izy satria fantany fa tsy miafina amin’Andriamanitra ny zava-misy : » Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra » . Na dia nandalo ady sarotra sy olana aza Izy dia ninoany fa tsy nandao azy Andriamanitra.Ankoatra izany dia velom-pinoana izy ka naverina indroa ilay teny eo amin’ny and 4 sy and 11, fa Andriamanitra no itokiako fa »Andriamanitra no itokiako , ka tsy hatahotra aho , inona no hataon’ny olona amiko ? » Entina ilazana izany fa matoky zato isanjato ny herin’Andriamanitra Izy ary mihazona ny fanekem-pihavnana izay nataony.Maneho ny tsy fitovian’Andriamanitra sy olona koa izany , satria dia tsinotsinona ny olona ary mety mivadibadika . Koa matokia an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra izay miseho eo amin’ny andavanandrom-piainanao .

2-Mahatonga fandresena

Rehefa nivavaka izy dia noheveriny ho toy ny efa nahazo valiny sahady . Efa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana ianao .Izany no teny nanehoany ny finoany an’Andriamanitra ary dia nanomana fanati-pisaorana ho Azy izy . Ny fahatsapan’i Davida ny fahatsaran’Andriamanitra sy hy fitiavany no nahatonga azy hidera , na dia efa nifofo ny aina aza ny fahavalony dia tsy nanana tahotra , satria rehefa Andriamanitra no momba dia mandresy mandrakariva .Tsy azo adinoina ihany koa fa Andriamanitra dia mahery lavitra noho ny fahavalon’i Davida , satria hoy izy :« Aripaho amin’ny fahatezeranao ny firenena Andriamanitra ô » . Jesoa Kristy dia efa nilaza fa « ety amin’izao tontolo iza no hahitanareo fahoriana… Noho izany , rehefa tojo olana dia hampahereziny amin’ilay tohiny hoe : « nefa matokia, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao« , eny fa na ny fasana aza dia tsy nahatazona Azy fa naharesy ny fahafatesana Izy .

Fanontaniana :

Iza no hatoninao voalohany rehefa tojo olana ianao : Andriamanitra ve sa olombelona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM