Jaona 19. 28- 37
Lahatr’Andriamanitra ho an’ny zanany
1 – Tsy maintsy miaritra fijaliana

I Jesoa Kristy na dia Andriamanitra aza dia nanaiky ny hidina, ho tonga olona. Endrim-pijaliana maro no niainan’i Jesoa : nokapohina, nolatsaina, nohomboina teo anelanelana jiolahy, notevatevain’ny olon-dratsy Izy. Ny amin’izany rehetra dia Andriamanitra no mandahatra satria efa nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany izany : any amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka (Lioka 9, 21-22 ; Lioka 9, 44 ; Lioka 18 : 31-34). Azon’i Jesoa nialana mihitsy ireo fahoriana rehetra ireo, kanefa amin’ny maha -lahatr’Andriamanitra azy dia tsy maintsy nanaiky, satria izany rahateo no sitrapon’Andriamanitra Ilay naniraka Azy. Noho izany, fankatoavana an’Andriamanitra Ilay Rainy no antony tsy maintsy niaretany ny fijaliany.
2 – Ho famonjena ny olona rehetra

Rehefa ho faty i Jesoa dia niteny hoe : « VITA ». Midika izany fa tanteraka ny asany, ka nanolotra ny fanahiny tamin’Andriamanitra Izy. Jesoa dia tsy mba nanota na dia naka endrik’olona aza, satria Izy dia Teny tonga nofo, fa tsy maintsy niaritra Izy mba hahazoan’ny rehetra famonjena, dia Izy no fanatitra nikosoka ny heloky ny firenena rehetra sy ny taranaka rehetra. Tsy notapahana ny ranjon’i Jesoa mba hahatanteraka ny fepetra hifanojo amin’ny toetry ny zanak’ondrin’ny Paska : Zanak’ondry tsy misy kilema. Rehefa nolefonin’ny miaramila koa ny lanivoan’i Jesoa dia nisy RA sy RANO ho fanadiovana ny fahotana sy famafana ny heloka. Tokony hifaliantsika izany famonjena izany satria fandresena ho antsika izay mino an’i Jesoa Kristy. Nandefa ny Zanany malalany, Izy ho fitiavana antsika. Andeha hobanjinintsika ny fitiavan’Andriamanitra tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fihazonanao ny famonjena izay vitan’i Jesoa Kristy ho anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM