Mofon’aina

Sabotsy faha 09 Aprily 2022
Lioka 7,11-17
1- Misy fahoriana mavesatra tokoa manko ny olona
Ny fahafatesana hoy ny bokin’ny Joba no ilay mpanjaka mampatahotra indrindra (Job 18,14) tsy azon’ny olona ialana izany ary mihatra mivantana eto amin’ity vehivavy voalaza eto ity . Azo atao hoe mafy tokoa ny manjo azy satria : andaniny , maty ny zanany lahitokana, manao aona moa ny vesatr’izany fahoriana mandevin-janaka izany ? tsy manan-janaka afatsy io izy araka nny fitantarana eto , ankilany dia mbola mpitondratena koa izy . Raha fehezina izany ny zava-manjo azy dia hanjohanjon’izy samy irery sisa no miatrika ny fianany ary izay no tena mahavesatra ny fahoriany satria ny vady natao hianteherana efa nandao ary ny zanaka nantenaina dia lasa ihany koa .


2- Afaka mamaha izany olana izany ny Tompo Jesoa
Voalaza eto hoe « onena azy ny Tompo ». Azo heverina hoe nampahafantarina ny zava-nihatra tamin’ity tovovavy ity ny Tompo ka amin’ny maha olona dia mahatsiaro ny vesatra misy amin’ity vehivavy ity ary tsy mahagaga raha voalaza hoe onena azy Izy . Raha ny marina anefa tsy mamaha olana velively ny fananana fo onena ka indro Izy niteny tamin’ny maty hoe « miverena » . Mety mahazatra antsika ny mandre izany teny izany nefa fantaro fa ny fampiasana izany voambolana izany eto dia filazana ny fanganana amin’ny maty mihitsy ary i Jesoa no hany afaka manao izany, izany hoe i Jesoa no hany afaka mamaha olana ny olona .

Fanontaniana :
Mahafantatra olona efa niaran-javatra tahaka ity vehivavy ity ve ianao ? Inona no heverinao fa vahaolana amin’izany ?