Levitikosy 18. 1-5

Raràna ny olona tsy hanaraka ny fomba ratsin’ny tany nialany sy ny tany hidirany

Nandevozin’ny Egyptiana nandritry ny efajato taona mahery ny Zanak’Israely ka very ny maha izy azy. Fa ny fomba ratsin’ny tany Egypta no zary nahazatra azy. Tsy nanan-tsafidy rahateo izy ireo tamin’izany. Efa tena ela mihitsy izany efajato taona mahery niainany tany amin’ny fanandevozana izany satria misy eo amin’ny taranaka dimy nifandimby eo izany. Ny tantara anefa dia milaza fa nafahan’ny Tompo tamin’ny fanandevozana izy ireo. Rehefa afaka dia namponenin’ny Tompo tamin’ny tany Kanàna indray izy ireo izay efa manana ny fombafomba fanaony ihany koa ny olona mponina tao. Rehefa honina ao àry ny Zanak’Isiraely dia tsy maintsy ho voasarik’izany fomba vaovao aminy izany indray. Manoloana izany dia mandrara ny olony ny Tompo tsy hanaraka izay fomban’ny tany samihafa fa :

Ny fitsipika sy ny didin’ny Tompo no tsy maintsy harahiny

Na eo aza ireo fombafomban’ny olona amin’ny tany samihafa manodidina ny olon’Andriamanitra izay mitarika azy ireo hanaraka izany dia mazava kosa fa manana izay fitsipika sy didy tsy maintsy omen’ny Tompo ny olona Izy ary mampiomana ny olona mba hankatò izany. Mila manapa-kevitra ny olona eo anatrehan’ireo kanefa haseho fa antoka mahavelona ny olona ny fanarahana ny Tompo.

Fanontaniana :

Misy fomban’ny malagasy mifanohitra amin’ny ataon’ny Tompo. Vonona hiala amin’izany ve ny kristiana ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM