ASAN’NY POSTOLY 2.22-31

1- Novonoinareo sy nohomboanareo i Jesoa

Ny vahoaka izay niresahan’i Petera eto no voatondro ho namono an’i Jesoa araka ny voambolana hita eto : nohomboanareo sy novonoinareo.Raha ny marina anefa dia tsy namono Azy mivantana akory izy ary azo atao hoe : tsy nikasi-tànana Azy mihitsy fa nampiasaina izany teny izany kosa dia entina ilazana fa iombonan’ny manam-pahefana mpanapa-kevitra sy ny vahoaka Jiosy rehetra ny trangan-javatra tahaka izao .Amin’ny teny hafa dia hoe : mitovy ny Jiosy rehetra manoloana ny trangan-javatra tahaka izao fa miara-manapa-kevitra sy manatanteraka ny rehetra ary tsy misy fanoheran-kevitra azo atao mihitsy izany. Koa izany no tsy nisalasalan’i Petera niteny hoe : nohomboinareo sy novonoinareo ny Tompo Jesoa .Raha tsorina ny fiteniny dia izao mpamono olona ianareo , kanefa fantaro kosa fa mahavita zavatra mahagaga lavitra noho izany ny Tompo satria :

2-Andriamanitra mahay manangana Azy indray

Haseho eto ny fahambonian’ny fahefan’Andriamanitra miohatra amin’izay heverin’ny olona ho hery sy fahefany . Raha mihevitra mantsy ny olona hoe : andeha hovonoina i Jesoa mba tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony dia haseho eto fa tsy araka ny fiheveran’ny olona velively akory ny trangan-javatra misy . Ny olona no mihevitra hoe : tapitra eo amin’ny fahafatesana ny zavatra vita sy ataon’ny olona , saingy aseho eto fa Andriamanitra Izy fa tsy olona ary tsy takatry sain’ny olona mihitsy ny fahiziany .

Fanontaniana :

Mino ve ianao fa nitsangana tamin’ny maty nandresy ny fahafatesana tokoa i Jesoa Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM