JEREMIA 21.1-10
Fototry ny olana ny fialana amin’ny Tompo
Faminaniana no ataon’i Jeremia eto . Ary faminaniana miavaka satria milaza loza mahatsiravina hihatra amin’ny Zanak’Israely . Mba hampahazava ny tantara dia tsara isika mamaky ny 2 Tantara 36.11-13. Ambara ao fa nanao izay ratsy teo anatrehan’Andriamanitra Zedekia mpanjaka .Tsy mahay nanetry tena no feno avonavona loatra ny fony ka tsy nihaino an’i Jeremia mpaminany .
Rehefa mamaky tsara izay ambaran’i Jeremia isika dia mahita fa nolavin’Andriamanitea ny fangatahan’i Zedekia hampiala ny fahavalo eo anatrehany (and2-7).Hitantsika eto fa Andriamanitra mihitsy no mirotsaka an-tsehatra hiady ka hanolotra azy ireo amin’ny fahavalony .Zava-doza loatra izany ary mety hampisalasala antsika mihitsy aza hoe: moa tsy Andriamanitra fitiavana va Izy ?
Valiny : Rehefa hampanalavirintsika an’Andriamanitra ny fontsika dia manalavitra antsika ihany koa ny fahasoavana sy ny fitahiana ary ny fiarovana avy Aminy .Rehefa miala ny tànam-pahasoavany dia manjaka amintsika ny herin’ ilay ratsy .
Ny tokony hatao:
Ry zaza mpiodina mba miverena fa vonona handray antsika mpanota mibebaka Andriamanitra . Fa efa natolony Jesoa ho famonjena antsika. Zedekia te-hovonjena nefa tsy miala amin’ny ratsy .Isika kosa andeha hiova ka hankato ny Teniny hananantsika fiainam-baovao
Fanontaniana :
Vonona ny ovain’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM