MIKA 3.1-4
Mamaly ny faharatsian ny Tompo
1- Andriamanitra mahita ny ratsy ataon’ny olona (and2)
Ireo mpitarika tamin’izany dia niala tamin’ny fitsipi-pitondrantena araka an’Andriamanitra izay efa nomena azy ireo ka nanolo-tena tamin’ny lalàna manokana araka ny sitrapony izy mpitarika. Io ilay ambara hoe : faharatsiana sy tsy rariny .Ary ireny dia nikendreny hahazoana tombotsoa ara-materialy . Hitan’Andriamanitra izany fa tsy mahamendrika ka ambarany mazava .Tahaka izany koa isika ankehitriny . Antsoin’Andriamanitra ho tia fahamarinana sy hankahala ny faharatsiana mba hisiam-piadanana ny fiainantsika « mankahalà ny ratsy , mifikira amin’ny tsara » (Rom 12.9)
2- Andriamanitra tsy tia ny fanambakana (and3)
Jereo tsara ny fomba anambaran’Andriamanitra ny ataon’ny mpitarika « eny , ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa , sady manendaka ny hodiny , ary mamakivaky ny taolany » .Izany hoe: mihatra amin’ny ain’ireo vahoaka mihitsy ny fampahoriana sy fitsetsefana tafahoatra ataon’ireo amin’ny vahoaka . Izany koa anefa dia manambara fa Andriamanitra dia mahatsapa ny fampahoriana antsika ka manameloka izay mahavita izany .Andriamanitra miandany amin’izay voaroba sy malahelo.
3-Andriamanitra tsy mihaino ny ratsy (and4)
« Amin’izany dia hitaraina amin’i Jehovah izy , nefa tsy hohenoiny na oviana na oviana ary ambarany mihitsy aza hoe : hanafina ny tavany Andriamanitra amin’izany andro izany . »Raha mananty tànana ianareo dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho. Eny , na dia manao vavaka be aza ianareo , dia tsy hihaino Aho. Feno ran’olona ny tànanareo » (Isa 11.5) .Diso ny fiheverantsika fa toa ambinina sy toa sambatra ireo mpitarika na dia ratsy aza .Efa adinon’Andriamanitra ireo .
Fanontaniana :
Efa nivavaka ho an’ny mpitarika anao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM