OHABOLANA 24.19-28

Toneo ny fo

1- Fa tsy maintsy hovaliana ny ratsy fanahy

« Fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy fanahy « (and 20a) . Toe-po amin’ny maha-olombelona ny misendaotra amin’ny ratsy fanahy mihatra amin’ny tena . Iny anefa no tena mila hitandremana fatratra , satria ny fo misendaotra sy tsy voafehy dia hiteraka fahotana mety hahatonga famaizana mihatra amin’ny tena indray. Ny atoron’ny Soratra Masina amintsika eto dia ny fitoniana .Aza matahotra fa sy maintsy hovaliana ny ratsy fanahy , satria tsy hanana fanantenana izy fa efa mazava ny làlana izorany dia ny famaizana azy . Hoy ny Soratra Masina hoe : « Tezera fa aza manota » . Raha tsy te-hanota dia tsy manao hetsika na mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny fahatezerana , satria voasaina izany ka mety hanenenana.Aoka hanatena ny fitsara marina ataon’Andriamanitra .

2-Ary manehoa fitsarana marina (and25)

« Fa izay mitsara marina kosa dia hahita soa sy hahazo fitahiana tsara ». Ny mpanome ny soa sy ny fitahiana dia ny Ray Mpamorona . Matetika anefa dia misy olona menamaso olona ka sahy manamarina ny diso , na ho an’ny tombotsoa ihany koa .Tsy mahay manome fitahiana anefa ireny olona ireny . Mijery antsika ihany koa ny Tompo. Koa sahia mijoro amin’ny marina fa valisoan’ny marina ny fitahiana fa valin’ny ratsy ataon’ny meloka kosa ny kapok’Andriamanitra sy ny fankahalan’olombelona .

Fanontaniana :

Impiry teo amin’ny fiainanao ianao no efa na ao fihetsika nanenenanao noho ny hatezerana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM