Genesisy 21. 1 – 8
Nahazo zanaka tamin’Andriamanitra ihany i Abrahama sy Saraha ka niteraka an’Isaka, milaza izany fa mitana ny Teniny ny Tompo ka :
1- Manefa izay nolazainy (and 1)
« Ary Jehovah namangy an’i Saraha araka izay efa nolazainy, ary dia nataon’i Jehovah tamin’i Saraha araka ilay efa noteneniny » hoy ny fitantarana eto, ny hevitry ny teny hoe « namangy » dia hoe mijery manokana, mikarakara mandray an-tanana, maneho izany fa tsy miova amin’ny fampanantenana efa nataony ny Tompo, izay lazainy tsy maintsy ataony, ary miasa Izy (misahirana mihitsy raha ny teny fototra no jerena) hanatanteraka ny Teniny, izany no hevitry ny hoe: « nataon’i Jehovah« . Tsy mba Andriamantira mivadibadika na mandino ny Teniny Izy.
Mampatsiahy ny teny nataon’ny Anjely tamin’i Maria hoe: « Ary sambatra ianao izay nino fa efaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao. » (Lio 1. 45)
2- Manana ny fotoanany (and 5)
« Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’Isaka zanany« , matoa notsindrian’ny tantara io taonan’i Abrahama io dia tiany hisongadina mihitsy ao anatin’izany fa tsy mampanantena poakaty Andriamanitra, nefa manana ny fotoana fantany fa mety. Raha ny lojika na ny fihevitr’olombelona teo amin’ny Toeran’i Abrahama sy Saraha dia efa tsy nanantena intsony, mety ho efa namoy fo koa aza ka nieritreritra fa nanadino Andriamanitra, saingy marina indrindra eto fa ny fihevitr’Andriamantira tsy fihevitr’olombelona (Isaia 55. 8 ) . Ianao koa aza misalasala, matokia, mahandrasa, mahareta; « Minoa fotsiny ihany » (Marka 8. 50) hoy i Jesoa!
Fanontaniana :
Moa efa nisy nampanantenain’Andriamanitra anao va ka tsy nataony ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM