Jaona 15. 9 – 16
« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. » (Jaona 15 : 16)
Inona marina moa no hevitra fonosin’io Tenin’i Jesoa io?
1- Tsy ianareo no nifidy Ahy
Entin’i Jesoa milaza amin’ny mpianany izany fa tombom-pahasoavana ho azy ireo ny voafidy fa tsy hoe noho ny fahamendrehany na ny tanjany sy ny heriny. Koa tsy misy mahazo mirehareha izay nofidiana ka hihevi-tena ho zavatra. Niharan’ny safidy izy fa tsy tompon’ny fifidianana ny tenany!
2- Ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa
Mazava kosa eto fa ny olona nofidian’i Jesoa ka tendreny dia tsy tompon’ny asa fa mpamita iraka, noho izany tsy mahazo manao izay tiany ny iraka fa izay nasaina nataony sy nankinina taminy ihany no tsy maintsy tanterahiny! Koa izay notendrena aoka tsy hanjakazaka hanao izay mahafinaritra azy fa « handeha » izany hoe hanao tsara sy amim-pahavitrihana ny asa, ary « hamoa » hanao ny anjara asany araka ny tokony ho izy hahazoana vokatra !
3- Mba homen’ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo amin’ny anarako na inona na inona
Tsy avelan’i Jesoa miasa amim-pisentoana izay nofidiny sy notendreny fa afaka mahazo izay rehetra ilaina amin’ny anjara fanompoany raha mangataka izany amin’ny anarany. Aoka ary tsy hihafihafy fa ho sahy mangataka tokoa isika, mitana ny teniny i Jesoa ilay nanao hoe: « Mangataha dia omena ianareo » (Lio 11.9)
Fanontaniana :
Efa niainanao ve ny fahamarinan’io Tenin’i Jesoa io ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM