MARKA 11 22-25

Mana hatramin’ny fakany Ilay aviavy teo Betania nozonin’i Jesoa omalin’i iny .Tsikaitr’i Petera izany ka nampahatsiahivin’i Petera hoe : ny vavaka mahomby dia:

1-Ny vavaka amin’ny fiinoana ( and 20-24)

Natoron’i Jesoa an’i Petera eto fa zava-dehibe ny fiinoana,satria tamin’ny finoana no nanozonan’i Jesoa Ilay aviavy hoe ;  » aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay ( Mat 12.14) ka nahamaina azy ,izany hoe : teny sy asa tamin’ny finoana. Raha ny zava-misy eto no takarina dia azo lazaina fa ny finoana dia ny fiheverana izay angatahina toy ny efa nahazo sahady. Hoy mantsy iJesoa hoe :  » na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo ,dia minoa fa efa nandray ianareo dia ho azonareo izany » .Sahia mangataka amin’ ny finoana ary!

2-Vavaka amin ‘ny fo madio (and25)

Tsy vavaka àmin’ ny finoana ihany fa ny vavaka àmin’ n’y fo madio no mahomby .Hoy mantsy izy hoe : » Raha mitsangana mivavaka ianreo ka misy olona anananareo alahelo dia mamela ny helony, mba avelan’ ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokateo » ,izany hoe: Raha tsy voavela heloka ny mangataka dia tsy manantena hahazo valiny ,fa efa voalaza rahateo hoe : » Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo àmin’ Andriamanitrareo…ka dia tsy mihaino Izy « Isaia 59.2.Raha lazaina àmin’ n’y teny hafa ary dia azo lazaina fa vavaka very maina ny vavaka ataon’ n’y olona tsy mamela heloka,satria tsy voavela heloka rahateo Izy no tsy henoin’Andriamanitra akory.

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao mba hihainoan’ ny Tompo vavaka antsika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM