JAONA 16.19-24
Tsy azon’ny mpianany izay tian’i Jesoa ambara amin’ny hoe : « vetivety foana dia hahita Ahy ianareo ary vetivety foana dia hahita Ahy ianareo » , ka nanomboka nifanontany izy ireo .Fantatr’ireo tsara ny baraingo tao amin’izy ireo , ary izany no mahafinaritra amin’io Jesoa io satria :
1-Ny Teniny tsy avelany hanjavozavo (and19,20)
Hazavain’i Jesoa àry eto fa ny tiany ambara dia ny tsy maintsy handalovany ny làlan’ny hazo fijaliana , ny hiaretany ny mafy indrindra hatramin’ny fahafatesana , satria hataon’ny fahavalony amin’ny fomba rehetra izay hamonoana Azy .Halahelo ny mpianany noho izany , hirotsaka ny ranomasony , kanefa tsy eo ny teboka farany.
2-Ny mino Azy tsy avelany ho kivy (and21,22)
Sary an’ohatra no entin’i Jesoa mampahery ny mpianany ka hanoharany ny fahoriana tsy maintsy holalovany amin’ny vehivavy hiteraka ,mangirifiry eo am-piterahana fa feno fifaliana rehefa teraka , entiny milaza ny hamafin’ny fiaretany ny fahoriana fa entiny manambara ny fitsanganany amin’ny maty kosa ny fahaterahana ka mivadika ho fifalianatsy manam-paharoa ny ranomaso teo , resy tosika ny hakiviana, fa fifaliana tsy misy afaka manaisotra no misolo toerana azy.
3-Izay mangataka Aminy valiany (and 23,24)
Lazain’i Jesoa eto fa tsy tokony hiahoatra ny mino hangataka aminy , ary ampirisihany mihitsy aza hoe : « mangataha dia hahazo ianareo , mba ho tanteraka ny fifalianareo » . Aza manahy àry fa sahia mivavaka mangataka amin’i Jesoa fa efa nampanantena hamaly Izy , tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare ary tsy fohy ny tànany fa mahavonjy ary ny teniny rahateo tanterahiny mandrakariva .Na izany aza manana ny fotoanany sy ny fandaminany Izy .
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fifalianao miaraka amin’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM