ASAN’NY APOSTOLY 13.32-39
Mitaona ny olona ho amin’ny finoana an’i Jesoa ny Apostoly eto , ambarany mazava fa i Jesoa dia fahatanterahan’ny fampanantenana efa nataon’Andriamanitra tamin’ny olona hatrany aloha ela. Misongadina eto àry fa i Jesoa torian’ny Apostoly dia :
1-Jesoa nandresy ny fahafatesana
« Fa izay natsangan’Andriamanitra no tsy mba ho tratry ny lo »(and37), voaporofo eto fa tena manatanteraka ny Teny nomeny Andriamanitra (Sal 16.10), satria ny hevitry ny teny hoe : tsy tratry ny lo dia hoe : tsy resin’ny fasana fa nitsangana tamin’ny maty ary velona .Hamafisina amintsika araka izany fa i Jesoa velona no tompontsika , hivavahantsika , inoantsika .Amin’ny karazam-pivavahana rehetra misy eto ambonin’ny tany dia tsy misy na dia iray aza amin’izay nitarika teo , izay nodimandry tamin’izy ireny dia tsy nisy niverina intsony fa i Kristy , Ilay Teny tonga nofo no hany tsy tratry ny lo .aKoa aza misalasala mino Azy .Hany fivavahana marina ny fivavahana kristiana .
2-Jesoa mahavela heloka
« Ao aminy no hanamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo hanamarinana anareo tamin’ny alalan’i Mosesy » (and39) , hoy ny voasoratra .Mihasikasina eto fa tsy nandresy ny fahafatesana ho an’ny Teniny akory i Jesoa fa mba hahazoany mamonjy izay rehetra mino Azy , mamela heloka izay rehetra mandray Azy .Tsy misy famelankeloka raha tsy ao amin’i Jesoa .Natao ho an’ny rehetra ny famonjena , saingy tsy ny rehetra no hovonjena fa izay mino ihany .Taomina àry ianao , minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao .
Fanontaniana:
Ireo voatanisa ireo ny momba an’i Jesoa , nahoana no mbola misalasala mino azy ny olona ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM