ISAIA 55.6-11

Ny Isaia 55 dia tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe : « Isaia faharoa » (Isaia 40-55) , izay miresaka ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra tany am-pahababoana . Eto dia antso no ataon’Andriamanitra mba :

1-Tsy hanjehy ny andro ho lava ny olona (and6)

« Mitadiava an’i Jehovah dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy » , hoy ny antso eto . Midika izany fa tokony hahay hanararaotra ny fotoana mbola mampiala nenina Azy Tompo ny olony ka hiverina Aminy , ary manamafy izany ny mpaminany raha milaza hoe: « aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny » (and7). Hitaomana antsika ihany koa izany tsy hangataka andro foana fa eto am-pamakiana izao mofonaina izao dia hiverina amin’Andriamanitra avy hatrany,mbola tsy tara .Tsarovy fa ilay jiolahy nahay nibebaka teo amin’ny hazo fijaliana aza dia mbola nilazan’i Jesoa hoe: « Anio no hihaonanao any am-paradisa » Lio 23.43. Aza miandry intsony, anio no fotoana hibebahana fa hamindra fo ny Tompo .

2-Mba hanaiky havela heloka ny olona (and8)

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako » , hoy iJehovah. Tena asongadiny amin’izany fa vonona hamela ny heloka rehetra vitan’ny olony Izy , na toa inona izany na toa inona. Ary eo no tena mahavariana, ny olona no maniasia sy manadino an’Andriamanitra , kanefa Izy indray no mbola miantso ny olona sy manome tombondahiny ny olona hahazoana miverina aminy mba hananana fiainana sy miantso hoe: « mankanesa amin’ny rano » (and1) .Inona indray àry no tokony andrasana , ianao indray ve no hisalasala , nefa Andriamanitra aza vonona hamela anao ?

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona sarotra taomina hiverina amin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM