JEREMIA 33.14-26
Ilay Andriamanitra nanao fanekena
1-Manatanteraka ny fanekena nataony

Manome toky Andriamanitra fa ho « avy ny andro hanatanterahany ny teny soa » nataony.Efa nambaran’Andriamanitra tamin’i Davida fa « ny taranany sy ny fanjakany dia hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay » (2 Sam 7.26) .Nampahatsiahy izany tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany eto Andriamanitra,nambarany fa hotanterahiny tokoa ny fanekeny . Avy amin’ny taranak’i Davida no hitondrana famonjena sy fiadanana ny olona rehetra .Tsarovy fa notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy , Ilay Zanak’i Davida izany fanekena izany .Manatanteraka ny fanekena nataony Andriamanitra. Azo antoka hy Tenin’Andrimanitra.
2-Marina amin’ny Teniny Andriamanitra

Mampahery ny olona hatrany Andriamanitra marina Izy ,marina amin’ny teny nambarany . Andriamanitra no mametraka , mandamina ny fisian’ny andro sy ny alina ary samy manana ny fotoanany avy ireo .Tsy azony ovana ny fandaminana nataony mba hampirindra ny fiainan’ny zava-mananaina .Toy izany koa ,tsy maintsy tanteraka ny teny nambarany . Marina Izy ka tsy mivadika amin’izay efa fanekena nataony.Andriamanitra izay nanao dingana voalohany nanao fanekena tamin’ny olona dia mitana ka nanatanteraka izany mandrakariva mba hampirindra ny fiainan’ny olony .
Fanontaniana :
Inona no maha-samy hafa ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny olona sy ny fanekena nifanaovan’ny olona ? Hazavao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM