Sabotsy 16 Oktobra 2021 – Lio 14 : 16 – 21

by Mofon'Aina

 16Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nanao fanasambe ity olona anankiray ka maro no nasainy. 17Nony fotoana fisakafoana, dia nirahiny ny mpiasany hilaza amin’ireo nasaina hoe: «Tongava, tompoko, fa efa vonona ny sakafo.» 18Samy rafitra niala tsiny avokoa anefa izy rehetra. Ka hoy ny voalohany tamin’ilay mpiasa: «Misy saha vao novidiko izay, ka tsy maintsy handeha hijery azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 19Hoy kosa ny faharoa: «Misy omby folo vao novidiko izay, ka handeha hizaha azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 20Ary hoy indray ny fahatelo: «Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany tsy afaka mankany.» 21Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin’ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin’ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin’ireo kianja sy araben’ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin’ny jamba sy ny mandringa.» 

Publié dans Non classé

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro