Mpino makatoky amin’ny asany

Mofonaina anio:
Alahady, faha 30 Aogositra 2026

Sal.111.1-10 / HF48 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 512.1

Ohabolana 14,26 – 31

26 Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
27 Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28 Ny fahabetsahan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
30 Ny fo mionona no fiainan’ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.

Ohabolana 14. 26-31

« …lzay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy: fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy » (and.31)

Ny bokin’ny Ohabolana dia iray amin’ireo asa soratra mirakitra fahendrena. Eto, ny fahendréna tokony ho hita amin’ny mpino mahatoky amin’ny asany dia:

1- Tsy manararaotra ny fahalemen’ny hafa

Tsy voatery hitovy ny fiainan’ny olona, na ny fisainany, na ny fari-pananany. Tsy natao hanararaotana ny mahantra na malahelo izay mety ho fananan’ny mpanompon’ Andriamanitra tombony mihoatra noho ny sasany: harena, toeram-panompoana, fahaizana manokana, Natao hanafaka ireo izay mila vonjy ny mpino mahatoky fa tsy hanampy trotraka izay efa mahatsiaro resy. Voasoratra hoe: « Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalan’i Kristy » (Galatiana 6. 2).

2- Manome voninahitra an’ Andriamanitra

Andriamanitra no nahary sy Tompon’ny zavatra rehetra araka ny Salamo 24. 1; ka anisan’izany isika olonibelona, na ny mahantra na ny manan-karena. Ny tsy fanajana ny zava-boarin’Andriamanitra dia toy ny fanaovana tsinontsinona an’ Andriamanitra namorona azy. Izany no nilazan’i Jesoa hoe: « Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko (Matio 25:40). Ny hoe: « mamindra fo » dia azo adika hoe mamindra aina na manome fahavelomana. Ambaran’ny Soratra Masina eto fa fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra izany.

Fanontaniana:

Tranga manao ahoana teo amin’ny tantaram-piainan’i Jesoa no ahatarafana ireo fahendrena roa ireo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady



Source link