Ny toetra takiana amin’ny olom-boaantso

Mofonaina anio:
Alarobia, faha 20 Mey 2026

Sal 95.1-5 / Hira18 /Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 534

Efesiana 4,1 – 4

1 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin’]
2 amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana,
3 mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.
4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;

Ny toetra takiana amin’ny olom-boantso

1-Fitondrantena mendrika ny fiantsoana:

Nisy ny fahasamihafana teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa, hany ka zary samy nanao izay tiany hatao sy izay naharesy lahatra azy ny mpino. Niteraka fitondrantena hafahafa tsy mifanaraka amin’ny fiantson’Andriamanitra izany. Koa nampahatsiahivin’i Paoly fa ny olom-boantso dia tokony hiaina amin’ny fanetren-tena sy fahalemem-panahy, fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana. Izany hoe tsy amin’ny teny na vava fotsiny ny fanehoana ny fanekena ny antson’Andriamanitra fa aseho sy ijoroana vavolombelona amin’ny fomba enti-miaina manontolo mihitsy. I Jesoa Kristy no ohatra tsara halain-tahaka amin’izany.

2- Mankamamy ny fihavanana

Ahariharin’i Paoly fa iray ny tena ary iray ny Fanahy, ary toy izany koa no niantsoana ny mpino ho amin’ny fanatenana iray dia ny fiainana mandrakizay. Koa tokony hazoto hitana ny firaisana avy amin’ny fehim-pihavanana izy ireo. Iray ny Tompo, iray ny finoana koa tsy tokony hisy fomba na foto-kevitra hampisaratsaraka satria i Kristy no fihavanana. Ny devoly no mpampisaraka. Tsy tokony hanaiky saratsarahan’ny devoly ny olona fa hiombona sy hifankatia mandrakariva, araka ny didy nomen’ny Tompo hoe: « Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo satria izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo ». Raha tena mpianatry ny Tompo tokoa isika dia tokony hankamamy ny fihavanana, ary handala sy hampanjaka ny firaisankina mandrakariva eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, indrindra any am-piangonana.

Fanontaniana:

Tena mamkamamy fihavanana tokoa ve ianao ary manaiky ho mpampihavana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady



Source link