Sal. 145. 1-7 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 16
1Korintiana 9,19-23
Ny olon’afaka
1- Manompo ny olona rehetra
« …Fa na dia afaka amin’ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa. » (And. 19).
Tompon’andraikitra amin’ny hafa ny Kristiana efa afaka. Nahatsiaro tena ho mpanompon’i Kristy i Paoly Apostoly. Tonga mpanompon’ny olona rehetra efa novonjen’i Kristy na tsia izy. Ary ny tanjona amin’izany, dia mba hahafahana mitory ny Filazantsara amin’ny hafa. Araka izany, ny finiavana takian’ny fitoriana ny Filazantsara, dia tsy fahalalana manokana akory, fa ny fahaizana mandanjalanja ny fananana fahafahana sy fandraisana andraikitra maha kristiana, amin’ny alalan’ny fahaizana manompo ny hafa.
2- Mikendry famonjena ny hafa
« … efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. » (And. 22)
Olona afaka i Paoly Apostoly. Malalaka amin’ny fanompoana an’i Kristy, manompo ny filazantsara, manompo ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny fandeferana, ny finiavana, ary ny fitiavana no hery nanosika an’i Paoly tamin’ny fitoriana ny Filazantsara mba handraisan’ny olona famonjena. Fianarana ho antsika mpino ankehitriny izany. Raha hitory Filazantsara isika dia tsy maintsy mametraka ho ambony ny famonjena ny hafa. Izany tanjona izany no mahatonga ny mpitory Filazantsara hampandefitra ny maha izy azy eo amin’ny fiainana ka manandratra ny maha mpanompo azy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba itorianao filazantsara amin’ny hafa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires