Sal 34.1-3 / Hira 16.1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753.2.4
Nehemia 13.10-14
Ireo fanovana nataon’i Nehemia
1-Fanarenana sy fanavaozana
Naverin’i Nehemia tamin’ny maha izy azy tanteraka ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Tempoly, indrindra ny mahakasika ireo Levita sy ny mpihira nanao raharaha. Voatery nandao ny asa fanompoana mantsy izy ireo satria tsy voaloa ny fivelomany. Tsy nandoa ny ampahafolon-karena ny olona ka nandositra any an-tsaha namboly izy ireo. Nangataka tamin’ny mpanapaka i Nehemia, mba hamory sy hamerina azy ireo. Fanarenana sy fanavaozana goavana no nataon’i Nehemia mba hiverenan’ny zava-drehetra amin’ny laoniny, na olona izany na fitaovana izay ampiasaina tao amin’ny Tempoly. Tranga mety hiseho eo amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ny toy izao. Andeha isika hitondra fanavaozana sy fanarenana izay rafitra mety mahatonga ny fandosiran’ny mpanompon’ Andriamanitra, na ny tsy fahafahany manao ny asa. Aza avela hisento izy ireny, fa ampio mba hahalavorariany ny iraka nampanaovin’ny Tompo azy.
2- Niverina tamin’ny laoniny ny raharaha tao an-tempoly.
Noho ny fanarenana sy fanavaozana izay nataon’i Nehemia dia niverina amin’ny laoniny ny raharaha rehetra mahakasika ny Tempoly. Nanatitra ny ampahafolon-karena tao amin’ny trano firaketana ny vahoaka. Nandroso araka ny tokony ho izy ny anjara andraikitry ny tsirairay. Tsy mora ny famerenana amin’ny laoniny sy ny famoriana ny vahoakan’Andriamanitra. Fangatahana nataon’i Nehemia ny mba hitahin’Andriamanitra ny ezaka rehetra amin’izao fanarenana izao, dia ny momba ny tranon’ Andriamanitra sy ny fanompoam-pivavahana.
Fanontaniana:
Inona avy no antony mety tsy ahafahan’ny tomponandraikitra manatanteraka ny asany ao amin’ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires