Sal 100 / Hira 514: 1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 349
Mpitsara 2, 1-5
Andriamanitra dia
1. Mampahatsiahy ny nitondrany ny olona (and 1-2a)
Averin’ Andriamanitra ampahatsiahiavina matetika ny nanafahany ny zanak’Israely teo ambany fanandevozan’ny Egyptiana, sy ny fampanantenana nataony momba ny tany Kanana. Amin’ny alalan’ny Anjelin’i Jehovah no anehoany izany eto, izay manondro indrindra an’i Jesoa Kristy. Tsy mamela ny olony ao anaty fahoriana Andriamanitra. Tsarovy izay efa nataon’ny Tompo taminao, fa maneho ny fitondrany sy ny fitiavany ireny.
2. Mampahafantatra ny fahadisoan’ny olona (and.2b)
Rehefa avy nilaza ny maha-Andriamanitra mihazona ny fanekeny Azy ilay Anjelin’i Jehovah dia nampahafantariny ny Zanak Israely fa izy ireo dia tsy nahatoky, nivadika taminy. Nasaina niady tamin’ny Kananita izy ireo taorian’ny nahafatesan’i Josoa; noraran’ Andriamanitra tsy hanao fanekena sy handrava ny alitaran’ny Kananita ny Israely. Tsy nataony anefa izany ka nahatonga an’Andriamanitra nanao hoe « koa inona moa izao nataonarco izao? ». Tia antsika Andriamanitra ka mampahafantatra ny fahadisoantsika.
3. Mamaly ny heloky ny olona (and 3)
Mamaly heloka tokoa Andriamanitra: « Tsy handroaka ny Kananita co anoloan’ny Zanak’Israely Izy tsy hiady ho azy ireo Izy; « ho tsilo ho azy ireo ny Kananita », hanindrotsindrona, hanelingelina, hahatonga fahasorenana ho azy ireo; « ho fandrika ho azy ireo ny Kananita », fakam-panahy ho azy ireo ny fananan’ireo Kananita andriamanitra maro hivavahany. Loza ho an’ny Zanak’Israely tokoa izany, ary izay no nahatonga azy ireo « nanandratra ny feony… ka nitomany ».
Fanontaniana:
Manao ahoana ny toe-panahinao manoloana ireo toetran Andriamanitra ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires