Sal 28.6-9 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 786.4

Finoana faka tahaka no hitantsika eto:

Ny Jiosy namany dia « nanohitra sy niteny ratsy » (and.6) rehefa nitory i Paoly fa « i Jesoa no Kristy » (and.5); izy kosa, na dia « mpanapaka ny synagoga » izao aza izany hoe: tena Jiosy tomponandraikitra tao amin’ny fivavahana jiosy -, dia sahy nijoro hino an’i JESOA! Fahasahiana lehibe hanoha riana izany!

Ary tsy izany ihany, fa « mbamin’ny ankohonany rehetra », voataonany avokoa! Fatratra izany! Fa moa tsy mafy ny mitaona ny ankohonantsika hino, tahaka ny nahazo an’i JESOA ihany? (Jao.7,5)

Tsy Jiosy izy ireo, jentilisa, nahita ny fanoheran’ny Jiosy an’i Paoly; saingy nandray ny Teny notorina ihany ka nanaiky an’i JESOA ho Kristy ary naneho izany ampahibemaso tamin’ny fanekeny hatao batisa mihitsy! Dia teraka ny Fiangonana kristiana tao Korinto ka nijanona tao herintaona sy tapany i Paoly !

Ary ny finoanao, mba manao ahoana?