Sal.11, 4-6 / Hira 447 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487, 1, 3

Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray raha manazava izany : «Tsy tokony horaisina ho fanomezan-toky foana izany fanambaran’i Jeso izany.

(1) Ny «zavatra rehetra» tsy midika akory ho ny zavatra rehetra izay mandalo ao an-tsaintsika ao. Ny vavaka araka ny finoana dia mifototra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, fa ny fangatahana zavatra tsy amil-pahendrena no diso (Jak. 4, 3)

(2) Ny finoana ilaina eto dia tsy maintsy raisina ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra. Izy no mametraka izany ao am-pon’izay mangataka marina tokoa, ary velona amin’ny fahatokiana Azy sy araka ny sitrapony (DC Stamps)

«Mino aho : vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako.» (and.24) «Ny olona tena mino dia tsy matoky ny tenany sy ny hevitry ny tenany intsony, fa ny Mpamonjy azy no iantsampazany sy hany itokiany tokoa. Izany tokoa mantsy no tena endriky ny finoana marina, fa raha ny tena dia fantatra mihitsy ny fangozohozony sy ny tsy anaovana azy ho fanorenana; nefa kosa nahita sy manana. Izay azo antoka indrindra ho mamikitra sy tsy azo akisoka amin’ny fitanana Azy irery ho antoka sy toky.» (Rakotonirainy Jonson, Mpitandrina)

Mino izany sy mino Azy va ianao?