Sal 149.1-4 / HF 13 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 512,1

Izany no azo amintinana ity tantara ity.

    I Josoa mpitarika sy ny lehilahy Israelita. Samy tsy maintsy mino ny tenin’i Jehovah sy mankato Azy na ny Mpitondra na ny vahoaka.

      Ny famorana, izay mariky ny fanekena manokana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama sy ny taranany, araka ny Gen. 17,1-14.

      Tena fidirana ao amin’io Fanekena io, ka mariky ny finoana, ny naneken’ireo lehilahy Israelita ireo izao famorana faobe azy ireo. na efa olon-dehibe, aza izy; na maharary aza!

        a) Afaka tanteraka ny latsan’ny Egyptiana nanandevo azy ireo, fa tafiditra soa aman-tsara tao Kanana ny Zanak’i Israely (and.9). 40 taona aty aoriana.

        b) Afa-nankalaza ny Paska voalohany tao Kanana izy ireo (and.10): Paska nahatsiarovana ny lasa, iatrehany ny ankehitrininy, itsinjovany ny hoaviny!

        d) Nisitraka voalohany ny vokatry ny tany Kanana, izay tondra-dronono sy tantely, izy ireo; ka nitsahatra ny mana, fihinany tany an’efitra (and.11-12).

        lanao ve vonona hankatô, na maharary aza?

        Mankato dia voatahy!