Sal 96.1-10 / Hira 16 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 761.1.3

    « Ny Mody mino »: Anisan’ny Apostoly izy fa namadika un’i JESOA Tompony tamin’ny fanorohana. Niaraka tamin’i JESOA, nefa tsy nino!

      « Ny tsy mahalala izay hinoany »: fa mpanara-drian-drano fotsiny! Miangona ny olona dia mba miangona!

        « Ny tsy mety mino »: Ireo ilay « lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana ary ny loholona » nampaniraka hanao ny fisamborana: olona mahalala ny Soratra Masina fa tsy nino an’i JESOA ho Mesia.

          « Ny mpino mafana fo diso toerana »: Izy ilay lazain’ny and.47 hoy i Jaona (18,10)!

            « Ny mpino tsy niomana »: Voalazan’ny and.50 hoe: « Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra. » Nampiomanin’i JESOA fa tsy nino!

              « Ny Mpino hafakely! » Resahin’ny and.51-52: izy koa mba nisy nisambotra dia nitsoaka. Ka ny sasany nitsoaka natanjaka; izy nitsoaka nitanjaka!

              Ny toa iza amin ireo ianao?