Sal 123.1,2 / Hira 28 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 642.1
Asan’ny Apostoly 19.1-10
Hoy i Paoly:
« I Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia i Jesosy. » (and.4)
Resaka fandraisana ny Fanahy Masina no iandohan’ity toko ity. Fa ahoana tokoa moa no andraisana ny Fanahy Masina?
1. Mibebaha marina
« I Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana », hoy i Paoly eto. Ary marina izany satria nirahina hitory izany batisan’ny fibebahana izany i Jaona (Lio.3,3). Fibebahana marina no notakîny: « mamoaza voa mendrika ny fibebahana », hoy izy (Lio.3,8), izany hoe: asehoy fa tena miova ianao rehefa nibebaka, ka misy asa mivaingana hita ataonao aterak’izany.
2. Minoa marina an’i JESOA
Tamin’ny toriteniny voalohany, dia hoy i JESOA hoe: « Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara » (Mar.1,15); Mibebaka aloha, saingy tsy mijanona eo fa miroso amin’ny finoana marina an’i JESOA ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Fa amin’izany ihany no andraisana ny Fanahy Masina, na tsy voatery hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra aza, tahaka an’i Paoly: nandray ny Fanahy Masina fa tsy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra (vakio Asa 9,17-18)
Fanontaniana:
Efa nataonao ve ireo dingana ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires