Sal 93 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460.1.3
2 Tantara 20.20-23
Hoy i Josafata, Mpanjaka:
« Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. » (and.20)
Tahaka ny Zanak’i Israely eto dia miatrika ady mandrakariva isika. Ahoana no hiatrehana izany?
1.Minoa an’Andriamanitra
Ny finoana dia fahatokiana feno. Raha vakina hatrany amin’ny fiandohany ity 2 Tan.20 ity dia hitantsika fa vavaka no nanehoan’i Josafata Mpanjaka izany finoany an’Andriamanitra izany. Ka tsy mino fotsiny dia mivavaka, fa mino ny valim-bavaka indrindra koa. Ny dikan’ny teniny eto dia izao: minoa ka mivavaha, ary rehefa nivavaka dia « minoa fa efa nandray » (Mar.11,24), araka ny tenin’i JESOA!
2.Minoa ny mpaminanin’Andriamanitra
I Jahaziela, voalazan’ny and. 14, no tondroiny amin’izany. lo Mpaminany io no nitory ny tenin’i Jehovah nanome toky hoe: « Aza matahotra » fa i Jehovah no hiady ho an’ny vahoakany! (and.17). Ny finoana dia miorina amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva (Rom. 10,17). Koa eo amin’ny adinao rehetra: minoa, raiso ho anao, ifikiro ny Tenin’Andriamanitra vakinao, na ny toriteny renao.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny famakianao Baiboly isan’andro? Manao ahoana ny fankatoavana izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires