Sal 99.1-5 / Hira 18.1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 734

Fiainam-pinoana ny vavaka. Anio taomina isika hivavaka.

Fahantrana sy fahoriana lalina no nianjady tamin’ny fiainam-bahoaka ka nahatonga azy hivavaka hoe: « Aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay… dia ny olona rehetra hatramin’ ny andron ireo mpanjakan’i Asyria ka mandraka androany ». Fahoriana naharitra ela, satria nandritra ny 400 taona izany raha kely. Sady mavesatra ny fahoriana, no maharitra ela. Isika koa ankehitriny diniho fa ianjadiam-pahoriana tsy hita lany. Mihamavesatra satria miampy isanandro. Inona no hatao? Andao hivavaka, akaro ny fivavahanao!! Jesoa rahateo dia manao ohatra alain-tahaka, satria hatreo amin’ny hazo fijaliana Izy mbola nivavaka, sady mampianatra antsika hoe « Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka » (Lio18,1).

Mampiharihary ny vokatry ny fahotana ny and.36 – 37. Raha fehezina dia izao: Vokatry ny ota dia tonga andevo, tsy manam-pidiny! Baikoin’ny olon-kafa nefa eo amin’ny taniny: « Indreto. andevo izahay izao, …andevo eto amin’ny taninay !.» Taloha, andevo ihany fa tany Egypta, fa ankehitriny andevozin’ny firenen-kafa eo amin’ny taniny ihany! Hoy ny and.37: Ny olona hafa firenena no misitraka ny zava-tsoa amin’ny taninay! Tany manan-karena kanefa vahiny no mitavana. Manjo antsika indrindra izany, ka mivavaha! Ozona izany, araka ny Soratra Masina, ary vokatry ny fahotana!

Inona no tonom-bavaka akarintsika aminizao zava-misy to amin’ny firenentsika izao?