Sal 25.1-7 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 377.1

Ampahatsiahivina ny mpino ao amin’ny Fiangonana ny finoan’i Abrahama: «Ary Abrahama nino ka nisaina ho fahamarinany izany » (and.3). Nohamarinina noho ny finoany i Abrahama, fa tsy nohamarinina noho ny asa nataony. Ny hoe: mino, dia matoky no anisan’ny heviny. Natoky tanteraka ny teny nolazain’ Andriamanitra taminy i Abrahama, ka nihetsika sy niasa ary nandray andraikitra mba ho rain’ny firenena maro. Noho ny finoany no nialany tany Oran’ny Kaldea ho any Kanana, tany tsy mbola fantany; ary finoana vokatry ny fahatokiany ny teny nolazain’ Andriamanitra taminy. Koa aza miasa na mandray andraikitra noho ny hambom-po ateraky ny teny mandrisika sy mandroboka, na mandokadoka antsika, fa noho ny Tenin’ Andriamanitra izay andraisantsika antson’i Kristy sy iorenana amin’ny finoana.

« Ary ho an’izay miasa dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama fa trosa » (and.4). Ny karama dia tsy maintsy aloan’ny mpampiasa amin’ny mpiasa, ary rariny izany: « Ny karaman’izay nokaramainao, aoka tsy hitoetra aminao miloak’alina » (Lev 19,13). Ananan’ny mpiasa trosa ny mpampiasa raha tsy mandoa an’izany! Fanomezana maimaim-poana vokatry ny finoana an’i Jesoa kosa ny fahasoavana fa tsy karama vokatry ny asa na ezaka natao. Fahasoavana no anamarinana maimam-poana izay mino, na dia tsy mendrika aza izy. Nohamarinina ka tonga sambatra, satria «Sambatra ny olona izay voavela heloka!» (Sal 32,1).

Nahoana no tsy amarinina na vonjena amin’ny asa isika?