Sal 27.1-4 / Hira 163.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 515.1

Nanahirana tokoa ny toe-draharaha politika teo amin’ny firenen’i Joda, tamin’ny andron’i Isaia. Natoky ny firenena Egyptiana ny Mpitondra, fa tsy nihaino ny Mpaminany. Toy izany koa ny vahoaka, nitoky sy nitodika tamin’ny Egypta. Naleony i Egypta toy izay Andriamanitra. Ny firenena Egyptiana no tiana holazaina rehefa ambara ny hoe: « soavaly », na ny faingan-tongotra >>> (and. 16). Natoky herin’ olombelona ny vahoakn’Andriamanitra. Tsy olona mivelona amin’ny finoana izany! Ho tra-pahavoazana izay matoky olombelona. Izany no tiana havoitra amin’ny and.15 17. Fahita mandraka ankehitriny izany fahatokiana sy fahatahorana olona mihoatra noho Andriamanitra izany. Ny olona velon’ny finoana dia mihaino ny Tompo ka matoky Azy, matoky ny teniny, tahaka an’i Jesoa izay nihaino mandrakariva ny Rainy, ka natoky na dia nizotra tamin’ny lalan-tsarotra hatreo amin’ ny hazo fijaliana aza.

Mariho eo amin’ny and. 18 fa averina in-droa ny matoanteny hoe: Miandry: Jehovah hiandry… kanefa koa sambatra izay miandry Azy (and.18 a sy 18 b). Ny matoanteny hoe miandry ato amin’ny Testamenta Taloha, dia manantena ihany no heviny sy dikany. Koa taomina isika hanana fanantenana mandrakariva ao amin’ Andriamanitra, fa miandry antsika amin’ny famindram-pony Izy. Andeha hiverina Aminy isika fa Izy no mahatoky sy mahavonjý, sady miandry antsika Izy.

Ahoana ny fisehoan’ny fahatokiana olombelona ankehitriny?