Sal 116.12-19 / Hira 20.1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF24

Tsy mifangarika amin’izay ambaran’ny Epistilin’i Jakoba akory ny foto-kevitr’i Paoly ao amin’ny Rom 3, 28 sy Gal 2, 16), momba ny finoana arahana asa. Tena mifameno ireo. Hamafisin’ny Epistilin’i Jakoba ny hoe: Asehoy amin’ny asa, na hamarino amin’ny asa ny finoana :

Mandray an’i Abrahama ho ohatra ny Mofonaina amin’ireo andininy ireo. Raha vao nandre ny teny sy ny baikon’ny Tompo i Abrahama dia nihetsika, nanatanteraka ary nankato. Izany asa sy hetsika ary fandraisana andraikitra tsy am-pisalasalana, vokatry ny fandrenesana ny tenin’ny Tompo izany no atao hoe : asan’ny finoana. Nankato i Abrahama fony izy nantsoina niala tany Ora. Hita izany tamin’ny nanirahana azy hanao fanatitra an’i Isaka. Ankatoavy sy ampiharo eo amin’ny fiainana sy amin’izay atao ny tenin’Andriamanitra renao, dia hohamarinina amin’ny asa ny finoanao, fa i Jesoa koa dia nankato ny Rainy hatreo amin’ny hazo fijaliana.

«…Ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy misy asa » (and.26b). Maty ny finoana raha tsy arahintsika hetsika sy asa, na avadika ho asa, na ampiharina ka azo tarafīna eo amin’ny ataontsika sy eo amin’ny toetrantsika. Izany hoe: eo amin’ny fandraisantsika andraikitra dia ampifanaraho tsara amin’ny tenin’ Andriamanitra. Finoana no entin’ny Tenin’ Andriamanitra, saingy raha tsy mampihetsika antsika izany dia finoana maty, ka tonga mamono finoana isika!

Inona tsara no atao hoe: hamarinina amin’ny asa isika ?