VOLANA SEPTAMBRA 2025

VELON’NY FINOANA NY MΡΙΝΟ

Sal 1.1-6 / Hira 12.1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 461

Mitondra finoana sy fanantenana ity tantara milaza ny famangian’ Andriamanitra ity. Manome toky ny Tompo rehefa mamangy, fa hanatanteraka ny tsy azon’ny olona inoana Izy.

Manan-danja avokoa ny voambolana ampiasaina amin’ireto andininy ireto. « Mamre » milaza hevitra momba ny fahitana izany. Nahita telo lahy, tandrifin’ny lainy i Abrahama. Nihazakazaka nitsena azy ireo izy. Ny isa telo dia enti-milaza an’Andriamanitra. Izany no antony niankohofan’i Abrahama sady niantsoany hoe: «Tompo ô!..» (and.3). Koa ny fomba fanajana amin’ny fandraisana sy fampiantranoam-bahiny nataony dia tsy fahalalam-pomba fotsiny, fa mariky ny fahavononany sy zotom-po handray ny Tompo ka hifandray Aminy. Isika koa: katsaho ny hivelona amin’ny finoana, ka manaja Azy; mifandraisa tsara Aminy amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny teniny ary amin’ny vavaka. Efa nanao ny toy izany koa i Jesoa Kristy.

Nampanantena ny hiterahan’i Saraha ireto vahiny mahagaga ireto, na dia efa nitsaha-jaza noho ny fahanterany aza i Saraha. Nihomehy i Saraha raha nandre ilay teny fanomezan-toky. Mariho fa averina in’efatra ny teny hoe: Nihomehy (and. 12.13.15). Misy heviny izany, satria hehy, na fihomehezana nanomboka tamin’ny fisalasalasalana sy tsy finoana, no hivadika ho hehim-pifaliana, na fihomehezana nahazo zazalahy araka ny Gen 21, 6. Nivadika ny rasa! Katsaho ny hivelona amin’ny finoana ary aza misalasala fa hain’ny Tompo ny mamadika ny rasa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy hitondra fiainana ho anao.

Moa azo tarafina eto ve ny hoe: Aseho amin’ny asa ny finoana ?