(Sal 107.1-3 / Hira 201.1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338)
Jaona 14.18-24
I Jesoa Kristy maniraka ny Fanahy Masina, sady mampahery ny mpianany mialoha ny fahafatesany amin’ny hazofijaliana.
1. Jesoa manatrika ny mpianany mandrakariva
Tsy ilaozan’i Jesoa ho irery ny mpianany na dia homboana amin’ny hazofijaliana aza Izy. Tsy hisy fahabangana ny fiainan’ny mpianany fa manohy ny fanompoany izy ireo ary mainka hanao asa lehibe aza (and 12). Izao tontolo izao tsy hahita an’i Jesoa manomboka eo amin’ny Paska Jiosy, ny Zoma masina izany. Manohy ny asany i Jesoa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay Mpampahery sy Mpisolovava ary Mpanampy (and 16). Tsy i Jesoa nofo aman-drà intsony no miaraka amin’ny mpianatra aorian’ny Paska fitsanganany, fa ny Fanahy Masina.
2. Jesoa ho avy indray
Rehefa mitsangana amin’ny maty ny Tompo dia hahita Azy indray ny mpianany. Tsy voafetra ny fihaonan’i Jesoa sy ny mpianany. Endrika roa sy fotoana roa no fisehoan’i Jesoa amin’ny mpianatra: amin’ny andro fitsanganana sy amin’ny andro Pentekosta. Hitoetra ao anaty aizina sy fahajambana izao tontolo izao satria tsy mino an’i Jesoa velona. Handrakotra azy ny andrianan’izao tontolo izao, izay efa voaheloka sy voaroaka (Jao 16.11; 12.31).
3. Jesoa tia ny mpianatra (and 21-23).
Mifamatotra ny teny hoe: tia an’i Jesoa na tia ny Ray sy ny fitandremana ny didiny na ny Teniny. Ny fitiavana an’i Jesoa Kristy dia fitandremana ny didiny. Tsy ho hita maso intsony Izy fa ny Teniny hombàn’ny Fanahy Masina no fanatrehany sy fanazavana antsika (and 24). Sady ao amin’ny Ray sy ao amin’ i Kristy ny mpino. Miharihary ny haratsian’i Jodasy, izay nikendry hahafaty an’i Jesoa. Rehefa tsy tia an’i Jesoa isika, na dia « Kristiana » aza, dia mpamadika sy mpamono Azy.
Fanontaniana :
Fomba ahoana no hanehoan’ny Kristiana ny fitiavany an’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires