(Sal 83.1-5 / Hira 639,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 306)
1 Mpanjaka 17.10-16
Aza matahotra!
1. Araho izay lazain’ny mpaminany
Masina ianao; itondray mofo kely koa eny an-tananao aho, hoy ny mpaminany Elia. Tsy misy ny mofo; ny koba sy diloilo efa kely satria ny mosary no mamely ny tany (and 1). Efa nomanin’i Jehovah izay hanome sakafo ho an’ny mpaminany, dia ny goaika sy ity vehivavy mpitondratena ity (and.4,9). Nankatò izay nolazain’ny mpaminany izy mianaka (and 15). Tsy manahy na miantehitra amin’ny izay eo an-tànana na ny tsy misy, fa mankatò izay lazain’ny mpaminany. Ankehitriny, ankatoavy ny Tenin’ny Tompo ao amin’ny Soratra Masina, ny toriteny, ary ny Sakramenta. Irahina ny Fiangonana hitety ny tany, tahaka an’i Elia mpaminany, hiatrika an’i Ahaba lozabe, mampahantra sy mampaory ny tany. Raiso ny andraikitra ry Fiangonana, ry Kristiana fa miandry antsika ny firenena.
2. Ankatoavy ny Tenin’i Jehovah
Tsy ho lany ny kely, dia ny koba sy ny menaka (and 14). Tanteraho izay lazain’ny Tompo fa Izy no Mpiahy sy Mpahary. Sambatra izay mpanompo matoky ny Tompo, fa tsy miantehitra na kivy amin’ny fahantrana sy fahasahiranana (Mat 6.31,34). Vahaolana tokana no omen’ny Tompo antsika amin’izao andro izao, dia ny fihainoana sy fankatoavana ny Tenin’i Jehovah izay entin’ny mpaminany. Vokany, tsy lany ny koba, tsy ritra ny diloilo (and 16). Manova ny tontolo ny Tenin’ ny Tompo: resy ny mosary sy ny fahoriana. Ny fiangonana no mpaminany ankehitriny, irahina hitory marina ny Tenin’i Jehovah mba handresena ny fahotana sy ny fahantrana.
Fanontaniana :
Manan-kery hanavotra ny firenena ve ny Fiangonana ary amin’ny fomba ahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires