(Sal 31 / Hira 460 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338)

« Aza matahotra » (and 19a). Izany dia midika hoe: « aza mihorohoro, aza mitebiteby, aza manahy na inona na inona« . Hafatra nomen’ny Tompo an’i Daniela izany, ary omeny anao anio koa. Niaiky Daniela fa « tsy nisy hery tafajanona intsony tao aminy » (and 8), nangozohozo. Nilaza àry ny Tompo hoe: « Aza matahotra« . Nampahafantatra ny Tompo fa noho ny fanetren-tenan’i Daniela teo anatrehany no mahatonga ny Tompo hampahery azy sy hanala ny tahotra eo aminy (and12). Tsy ny fahatokian-tena ho zavatra no andresena ny tahotra fa ny fanetren-tena eo anatrehan’ny Tompo. Jesoa dia nanambara hoe: « Fiadanana ho anareo » (Lio 24, 36) raha taitra sy raiki-tahotra izy ireo. Ny fanetren-tena sy ny fiadanan’i Jesoa no andresentsika.

Voasoratra ao amin’ny dikan-teny iombonana (DIEM) hoe: « Aza matahotra, fatra-pitia anao Andriamanitra, ka fiadanana ho anao » (and19). Izany teny izany dia miampy hoe: « mahereza » sy ny teny hoe: « Ry lehilahy tian Andriamanitra, aza matahotra ». Ny fahafantarantsika tsara ny momba an’Andriamanitra, ny fitiavany miantefa amintsika, araka izay efa nataony sy mbola hataony eo amin’ny fiainantsika dia fitaovana iray lehibe ahafahantsika mandresy ny tahotra. Hatrany aloha no efa nilaza ny Tompo hoe: « Satria malala eo imasoko ianao, be voninahitra ianao sady tiako » (Isa 43,4). Noporofoin’i Jesoa izany tamin’ny nanolorany ny tenany ho antsika teo amin’ny Hazofijaliana.

Inona avy no fampaherezana voarainao androany?