Sal 25.1-6 / Hira l4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira547
Marka 10. 46-52
Ny finoan’ i Bartimeo jamba:
1- Tsy mahasakana ny fahiratana ara-panahy ny fahajambana ara-batana.
Raha namakivaky ny tanana’i Jeriko i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hizotra ho any Jerosalema, dia indro i Bartimeo jamba, zanak’i Timeo nangataka teo amoron-dalana. Raha nandre an’i Jesoa nandalo izy dia niantso hoe: « Ry Jesoa zanak’i Davida ô! Mamindrà fo amiko » (and 47b). Ny antsoantso nataon’i Bartimeo jamba manoloana ny fandalovan’i Jesoa dia fanehoanam-pinoana avy ao anaty, anehoany fa mahay mamindra fo aminy sy manasitrana azy amin’izao fahajambany izao i Jesoa. Ny sasany dia mihevitra hoe manelingelina an’i Jesoa izao fihetsiny izao, kanjo tsy laitra nampanginina izy (and 48). Tsarovy fa raha tena olom-boaantso ho ao amin’ny Tompo isika dia tsy ho sakana ny handrosoantsika izay mety ho kilema ara-batana toy ny fahajambana.
2- Tsy miantoka ny fahitana ara-panahy ny fahitana ara-batana.
Raha ny fiheveran’ireto manodidina mikasika an’ity jamba ity dia tokony tsy hiantsoantso momba an’i Jesoa izy satria jamba. Ary mety ho izany no nahatonga azy ireo hampangina azy. Fahitana ara-batana izany fa fahajambana ara-panahy. Nodisoan’i Jesoa ny fiheveran’ny sasany hoe tsy miraharaha izay mpangataka kely Izy. Neken’i Jesoa ny fangatahany, ary nomarihany manokana fa nampiasa finoana i Bartimeo (and.52). Raha ny fahitana ara-batana no ianteherana dia mety ho diso ara-panahy ihany. Mahita ny ao am-pon’ny olona Andriamanitra. Tazany teo amin’i Bartimeo ny finoana izay nampahiratra azy.
Fanontaniana :
Mba mety jamba koa ve ny olom-boaantso?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires