(Sal 24.1-5 / Hira 18 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332)
2 Timoty 1.6-12
Ny fiantsoana ny mpanompo mahatoky
1- Hatry ny fahagola
Amin’izao tapany faharoa eto amin’ny bokin’i Timoty izao no anomezan’i Paoly teny fampaherezana an’i Timoty, izay napetrany handimby azy. Tsy kisendrasendra akory izany fa hatry ny fahagola; satria izao no voasoratra « Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Jesoa Kristy hatry ny fahagola » (and.9). Hatramin’ny fahazazana i Timoty no nampianarin-dreniny (Eonika) sy ny renibeny (Loisa) ny amin’ny fivavahana (2 Tim1.5; 3.15). Koa tsy mahagaga raha tonga mpiara-miasa amin’i Paoly amin’ny fitondram-piangonana izy. Tanora fanahy i Timoty raha ny taonany, saro-kenatra, ary tsy nanana fahatokisan-tena loatra, saingy Andriamanitra no efa nifidy azy hatramin’ny fahagolalsika koa dia efa nofidin’Andriamanitra, nantsoiny ho mpanompo mahatoky hatry ny fahagola fa tsy vao omaly. Ekeo ny antsony miantefa aminao.
2- Mandray ny teny fampaherezana
I Paoly dia nanampy an’i Timoty tamin’ny asa fanompoana, ary nanome teny fampaherezana azy. Tandra vadin-koditra amin’ny fanompoana izay nekeny mantsy ny fahoriana. Ary satria miaritra fahoriana i Paoly amin’ny maha mpanompo azy, dia ampiomanina hisedra fahoriana toy izany koa Timoty noho ny amin’ny Filazantsara. Ny teny fampaherezana izay nomen’i Paoly Apostoly azy no hery hahavitany ny antsom-panompoany amin’izao andraikitra raisiny ho famaliany ny antso izao ka nanekeny ho mpanompo mahatoky.
Fanontaniana :
Mba maharitra amin’ny asa fanompoana ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires