(Sal 133 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 340)

Ny namahanana ny olona efatra arivo no ambaran’ny Soratra Masina amintsika mpamaky eto, izay mofonaina voalahatra anio Alarobia. Nisy vahoaka maro be nanaraka an’i Jesoa teo an-tendrombohitra (and.29-30), ary nijanona teo Jesoa nandritra ny hateloana. Nanapa-kevitra i Jesoa fa hanome sakafo azy ireo, ka nahatonga Azy niantso sy naniraka ny mpianatra hitady hanina. Ny olona izay antsoina ka mamaly izany antso izany dia afaka manome izay kely eo am-pelatanany toy izay hita eto: mofo fito sy hazandrano vitsivitsy. Izay teo aminy no azony nomena. Ho anao izay antsoin’Andriamanitra koa, na aiza sehatra na toerana misy anao, miantefa aminao ny antso, satria mpino ianao. Manomeza araka izay azonao atao, satria fantatr’Andriamanitra fa afaka manome ianao. Dia ataovy amin’ny fifaliana izany, satria izay no sitrak’Andriamanitra.

Ny marika iray izay mba iavahana amin’ny hafa, amin’ny maha olom-boaantso dia ny fanekena ny fandaminana eo amin’izay sehatra iantsoana. Eto ny mpianatra dia nanaiky ny fandaminana: nanome izay teo aminy izy ireo. Tsy nanome ihany fa nanaiky hizara izany ho an’ny vahoaka (and.36). Nankato izy ireo, na dia teo aza ny ahiahin’ny mpianatra, satria maro ny vahoaka. Ny fanekena ny fandaminana no isehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra amin’izay anirahana koa aza mba ho anisan’ny mpanohitra fandaminana, izay tsy hahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, fa aoka ho olon’ny fandaminana isika.

Mba manam-pinoana ve ianao, fa Jesoa dia mahay mampitombo izay kely anananao?