1Samoela 3. 1-9
(Sal 134, 1-3 / Hira 788 / Vavaka / Mofonaina / Vakaka / HF 33)
Andriamanitra miantso olona:
1- Miteny aminy
«… Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho. andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy. » (And. 5)
In-telo miantoana no nandre antso i Samoela nandritra ny alina. Noheveriny fa i Ely no niantso azy ka nahatonga azy nanatona. Taty aoriana, dia fantatr’i Ely mpisorona fa Jehovah no niteny tamin’i Samoela. Andriamanitra dia miteny amin’ny olona antsoiny amin’ny alalan’ny fandrenesana ny feony. Ary ny fandrenesana ny antso na ny feon’Andriamanitra no mahatonga ny olona hamaly hoe: « Mitenena Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao ». Ankehitriny dia tsy fandrenesana antso tahaka izany intsony no endrika isehoan’ny antson’i Jesoa Kristy fa amin’ny alalan’ny toriteny.
2- Miantso izay tiany
« Ary Samoela tsy mbola nahalala an’i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin’i Jehovah izy. » (And. 7)
Mbola zaza i Samoela tamin’izao nantsoin’Andriamanitra azy izao; voalaza eto koa fa « tsy mbola nahalala an ‘i Jehovah » (izay manana hevitra hoe mbola tsy nanana fifandraisana manokana tamin’ Andriamanitra amin’ny maha-mpaminany azy). Na izany aza. dia nitenenan’Andriamanitra izy. Andriamanitra no mifidy izay olona tiany hitenenana. Tsy miankina amin’ny fiheveran’ny olona, na ny fiarahamonina no ifidianan’ Andriamanitra įlay olona. Ary manamafy izany i Jesoa Kristy taty aoriana tamin’ny nilazany fa Izy no nifidy ny mpianany, fa tsy ny mpianany no nifidy Azy. Izany no ilazana fa Izy Tompo no mifidy sy miantso izay tiany.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy amalianao ny antson’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires