Asan’ny Apostoly 9. 1-19
Sal 105.1-6 / Hira 6 1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka /Hira 428
Ny Tompo, mifidy olona hirahina…
1- Mifidy araka ny ikendreny azy
« Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa » (And. 15)
Tenin’ny Tompo tamin’i Ananiasy izany. Nofidiana manokana i Saoly mba hahazoana manitatra ny Filazantsara any amin’ny Jentilisa sy ny manam-pahefana ary ny Isiraely. Fahasoavana sý fifidianana mikendry fampandrosoana ny Filazantsara no ataon’ny Tompo eto. Araka izany, tsarovy mandrakariva fa misy tanjona manokana tian’ny Tompo hokendrena amin’ny fifidianany anao; ary ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fampandrosoana ny Filazantsara. Amin’ny toerana rehetra izay misy anao: hitondra ny anaran’i Kristy, izany no ilana anao. Tanteraho izay efa nifidianana anao.
2-Maniraka olona hanafaka azy
«… Naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. » (And. 17)
Rehefa nihaona tamin’ny Tompo teo amin’ny lalan’i Damaskosy i Saoly, dia tonga jamba. Nirahin’ny Tompo i Ananiasy mba hampahiratra ny mason’i Saoly. Hanafaka an’i Saoly ho amin’ny tontolon’ny aizina ho amin’ny fahazavana no nanirahana an’i Ananiasy. Raha izany, ny olona efa miaina ao anatin’ny fahazavan’ny filazantsara no irahina hanafaka ny ao anatin’ny aizina, ho amin’ny fahazavana. Ilaina isika izay efa manana ny mazava mba hitondra fahazavana amin’ireo izay mbola ao anatin’ny aizina; ary indrindra handraisany ny Fanahy Masina. Ento ho eo amin’ny olona ny fahazavan’ny Filazantsara.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy ahefan’ny olona ny nifidianana azy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires