Sal 98.1-3 / Hira 4.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 485.1,4,5

Fanambarana ny amin’i Jesoa ilay Zanak’ondry, hitondra famonjena sy fanafahana ho an’ny rehetra izay mino sy manaiky ny famonjeny no hitantsika anio. Minoa fa i Jesoa dia:

    Ambaran’ity andininý ity eto fa ny fahatongavan’i Jesoa dia hitondra fanavotana ho an’ny rehetra. Tena zava-dehibe izany satria ny ainy no nafoiny, ary ny ràny no nalatsany. Tsy nanavahany na iza na iza izany, fa ny olona rehetra maneran-tany, izay manaiky hodioviny ao anatin’ny fahotana.

    Sarobidy amin’ny Tompo izaho sy ianao satria nandatsahany ny rány. Koa aza misalasala intsony fa efa vitan’i Jesoa Kristy ny asam-pamonjeny, ary aza mitady mpanonjy hafa intsony fa Izy no Ilay tokana nirahin’Andriamanitra hanavotra antsika.

      Noho i Jesoa dia tonga fanjakam-pisorona ny Fiangonana, hany ka afaka mifandray mivantana amin’Andriamanitra tsy misy mpanelanelana avokoa. Araka izany, izay mandray an’i Jesoa dia manana fifandraisana feno amin’Andriamanitra, ka afaka manatona Azy amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny atao rehetra. Misokatra ho antsika ny fanjakan’ny lanitra, izay santarina dieny ety an-tany amin’ny alalan’izany fifandraisana izany.

      Aza avela hisy hahasakana anao tsy ho isan’ny vahoakan’ny Fanjakany. Ho feno fifaliana ianao satria vahoakan’ny fanjakan’Andrimanitra, na mbola miaina ety an-tany aza.

      Nahoana ny olona mahafantatra tsy mety mino an’i Jesoa?