Sal 33.12-22 / Hira 6.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 734
Malakia 1. 1-5
1. Tia antsika Andriamanitra
Andriamanitra no miteny fa efa tiany ny vahoakany. Ary mbola tsy niova io fitiavan’Andriamanitra io. Matetika anefa dia tsy tsapan’ny olona izany. Ny fifidianan’Andriamanitra an’i Jakoba hatrany am-bolohany dia fitiavan’Andriamanitra manokana. Na dia toa ratsy toetra aza Jakoba, eny fa na dia nihodina matetika tamin Andriamanitra aza ny Zanak’Isiraely dia mbola nitía azy ireo hatrany ny Tompo. Ny fitiavan’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay. Hoy ny Tompo: << Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao >> (Jer.31,3b). Ry havana, mbola fitiavan’Andriamanitra hatrany no namezany an’i Jesoa izay nanaiky ho faty noho ny fahotantsika. Tiany ny olona ka novidiany ary natsangany ho zanany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba ho mpandova ny fanjakany.
2. Andriamanitra Tsitoha Izy
Edoma hanarina fa Izy Andriamanitra handrava. Izany fandravana izany dia vokatry ny faharatsiana izay niteraka fahatezan’ Andriamanitra. Asehony fa Tsitoha Izy ka tsy azo sakanana amin’izay ataony, satria marina mandrakizay Izy. Ny firenena avy amin’ny tarank’i Jakoba ho karakarainy fa ny an’i Esao kosa dia fandravana.
Raha te ho tafarina ny firenena, miaina ao anaty fahasahiranana dia mila mandositra ny fahatezeran’Andriamanitra. Miaina amin’ny fahamarinana ka miala amin’ny karazana kolikoly rehetra. Izay ankasitrahan’ Andriamanitra irery ihany no atao fa tsy izay mahafinaritra ny nomena fahefana. Ary izay tena zava-dehibe dia ny miverina amin’ny fivavahana marina amin’Andriamanitra fa tsy manandratra ny fanompoan-tsampy.
Fanontaniana:
Tsapanao ve ny fahalebiazan’ny fitiavan Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires