(Sal 150.1-6 / Hira207: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 12:1)
Apokalypsy 1.1-8
Bokin’ny fanatenana ny bokin’ny Apokalypsy (sy ireo antsoina hoe Soratra Apokalyptika, tahaka ny bokin’i Daniela sy ny hafa koa), ary nentina nampahery ny Kristiana niatrika fanenjehana mivaivay mba hihazonan’izy ireo ny finoany. Ny mofonainatsika dia maneho fa:
1. Velona i Jesoa (and 1)
Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony ». lo teny hoe fanambarana io dia midika hoe fanehoana ny zava-miafina tsy fantatra hatramin’izay. Ary io no midika fa velona i Jesoa, fa ny maty tsy afaka maneho na mampahafantatra na inona na inona. Jesoa velona no ivavahantsika, fa tsy andriamanitra maty!
2. Mendrika omem-boninahitra i Jesoa (and 6)
…ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. >> hoy ny Apostoly Jaona; io fanomezam-boninahitra io dia mifamatotra amin’ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa antsika sy ny nanavotany antsika ho afaka tamin’ny fahotantsika ka nanekeny handatsaka ny rany ho famonjena antsika. Rariny izany, fa tsy misy olona vonona ho faty hisolo anao, i Jesoa ihany no nahavita izany.
3. Ho avy i Jesoa (and 7)
Indro Izy avy amin’ny rahona, ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena. ». Azo antoka ny fiverenan’i Jesoa, ary tay hisy ho afa-mandositra izany, fa tsy maintsy hahita Azy. Ny hoe avy amin’ny rahon’ny lanitra dia midika fa miara-mahita izao tontoloizao fa tsy tahaka ny lazain’ny sasany hoe; ary i Kristy. Koa mba tsy ho ranomasom-panenenana no hahitanao Azy dia mibebaha ka miambena.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahavononanao amin’ny fiavian i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires