(Sal 100. 1-5 / Hira 543: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731: 1)

« Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. » (and.19)

lo andinin-tSoratra Masina io dia mampianatra antsika fa ny mpanompon’ Andriamanitra irahiny dia:

    « Fa hiady aminao ireny… » hoy Jehovah amin’i Jeremia mpaminany eto. Hanaovan’ny olona antsojay ny mpanompon’Andriamanitra (Jer 20. 2) rehefa mitory marina ny Tenin’Andriamanitra, indrindra rehefa mahakasika ny zoron-damban’ny olona ny fahamarinana ambara. Ny nanirahana an’i Jeremia rahateo dia voalaza fa « manana fo maditra sy miodina » (Jer 5. 23). Nanjo an’i Jesoa izany, ary mety hahazo antsika koa: ny mpiray firenena taminy ihany no niatsoantso hoe: homboy Izy!

      «…nefa tsy hahaleo anao… » hoy ny Tompo mampahery an’i Jeremia. Ny hevitra fototra ao anatin’izany dia izao: mahazo matoky ny tena mpanompon’ Andriamanitra fa na inona na inona hataon’ny olona azy, na fanenjehana io na fampijaliana amin’ny endriny samihafa noho ny amin’ny Tompo dia tsy maintsy miafara amin’ny fandresena, eny fa na dia hahamay sy hangotraka aza ny fiatrehana azy. Izany rahateo ny an’i Jesoa: hazofijaliana vao satroboninahitra!

        «…satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah ». Ny fanalahidin’ny fandresena dia ny fombàn’Andriamanitra, fa tsy ny herin’i Jeremia. Aoka ho azo antoka fa momba anao ny Tompo; tsy mandeha amin’ny herin’ny tenanao akory ianao manao ny asany. Tsy ho sahisahy fahatany fa hihaino tsara ny toromariky ny Tompo!

        Hatraiza ny fatokianao ny fomban’ Andrian:anitra anao?