
“…tano mafy izay ananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao .” (APOK 3.11b)
“Ho an’izay rehetra malalan’Andriamanitra sady voantso ho masina, ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.” (ROM 1:7)
Miantso sy manasa am-pitiavana anao ho tonga aty an-toerana hiara-hiombom-bavaka amin’ny FETIN’NY ZANAKA AMPIELEZANA eto amin’ny FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro : ny ALAHADY 14 Aogositra 2022, 0 ora sy sasany
Mandritra izao fetin’ny ZAFA 2022 izao no:
1. Fotoana hanaterana ny valopy EZAKA ataon’ny isan-taranaka ho Ezaka amin’ny adidy ivelany sy anatiny : « … nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny. » (2 TAN 31:5)
2. Fotoana hanaterana raki-pisaorana eny amin’ny alitara masina : « … Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hœ: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. » (MAR 10:21)
“Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (LIO 11.13)
0 Commentaires