Ny Mpitandrina SOLOFOHARISON Désiré Ratefinjanahary dia zanaky ny Fiangonana Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro.

Izy dia nitandrina ny Fiangonana FJKM Amboditsiry Mifankatia ao amin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano nandrity ny taona maro talohan’ny nisotroany ronono ny taona 2021.

Mbola manohy mavitrika manohana sy manampy ny Fiangonana izy na dia efa Mpitandrina misotro ronona aza, indrindra amin’ny faritra Alatsinainy Bakaro.