Maha izy azy ny ZAFA Zanaka Ampielezana
Ny Zanaka Ampielezana Fiangonana Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro, afohezina hoe ZAFA, dia miorina eto amin’ny Fiangonana nanomboka ny taona 1961. Izy dia natao hifampitaizana sy hibeazana mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary hahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.
Amin’ny miara-miombona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny ZAFA sady manaja ny Fitsipika anatiny eto amin'ny Fiangonana ijoroany ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .
Zava-kendreny
Ny ZAFA, amin’ny asa ataony dia mikendry :
- Fitoriana ny Filazantsara sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy
- Kristianina hahay hitoetra amin’ny Tenin’Andriamanitra
- Ny hitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra ( Mar 16,15)
- Ny hampivondrona sy hanangona ary hitaona ireo taranaka ao anatin’ny Fiangonana sy any ivelany mba hiara-miasa hamelona sy hampandroso ary hampiroborobo ny asan’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana.
- Ny hanainga sy hanentana ny mpikambana samy handray anjara amin’izay tandrifiny azy, araka ny fanomezam-pahasoavana ananany.
- Ny hahatonga ny mpikambana hahalala an’ Andriamanitra sy hitombo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hiaraha- manompo Azy amin’ny fifaliana.
- Ny hanampy sy hanohana ny Fiangonana
- Ny hampifamatotra ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny samy mpikambana
Komity ZAFA 2023

ZAFA Zanaka Ampielezana
Filoha: Ndranto RAZAKAMANARINA
Mpitantsoratra: Réné RAMANANJANAHARY.
Mpitahiry vola: Mandimby ANDRIAMAHALEO.
Mpitantsoratry ny vola: Voahirana RAMAHALEO.
Mpanolotsaina: Jakoba RAHERINJATOVOARISON, Tantely RABENAIVO, C A. RANDRIAMANIVO, Manohy RATSIMIALONA, Henintsoa RATSIMIALONA, Celestin RANDRIANARIVONY
Birao Zanaka Ampielezana 2009-2012

TiZAFA Tanora Zanaka Ampielezana
Filoha: RANDRIANARIVONY Mitantsoa
Filoha Mpanampy: RAKOTOARISOA Mahonjaniraniaina.
Mpitahiry vola: ANDRIANIRINA Axelle Mirana.
Mpitantsoratra vola: ANDRIANDRANTOSOA Njaraniaina.
Mpitantsoratra : RAVELOMANANA Mirado Fionerana.
Mpanolotsaina: RAMAROSATA ANDRIANJARA Elie David, RAJERISON David Landry, RAHERINJATOVOARISON Felana, ANDRIANIVOARIMALALA Tanjona, RAZAKAMANARINA Manda Fitiavana
Birao Tanora Zanaka Ampielezana

Fandaharam-potoana samihafa
Fotoampivavahana : xxx
Fiofanana : xxx
Tetiandro ZAFA
Ireto ny tetiandron'ny ZAFA mandritra ity taona ity.
Taombaovao ZAFA: Alahady 12 Febroary 2023
Fitsangatsanganana ZAFA: 2 Aprily 2023 Fanokafana Jobily 120 Taona Fiangonana
Fivoriana ZAFA: 11 Jona 2023
Fanomanana ny Fetin'ny taranaka: 9 Jolay 2023
Fotoandehibe Fetin'ny Taranaka : 13 Aogositra 2023 ivon'ny Fankalazana 120 Taona
Fivoriana ZAFA: 8 Oktobra 2023
Krismasy iombonan'ny ZAFA: 10 Desambra 2023
Fety sy fankalazana samihafa
Fotoan-dehibe, Ivon'ny Fankalazana faha 120 taona : Alahady 12 sy 13 Aogositra 2023
Zanaka Ampielezana

Lasy TiZAFA Tanora Zanaka Ampielezana

Mpiangaly ZavamanenenoTanora Zanaka Ampielezana
