Mihainoa ny Tenin’ ny Tompo
Jeremia 2.4-13
Ny olona tsy mihaino an’ Andriamanitra
1-Manadino ny famonjen’ Andriamanitra
Ahariharin’i Jeremia eto ny toetra nananan’ny Zanak’Israely . Ilay firenena nanehoan’ Andriamanitra fitiavana manokana , nokarakarainy fatratra kanjo niova tanteraka. Niodina nandà Ilay Andriamanitra efa naneho famonjena raha nanafaka azy ireo tany amin’ny tany Kanana , tany nahitany ny tena fiainana . Tsy nihaino an’Andriamanitra izy ireo fa ny fanompoan-tsampy no nomeny toerana . Rehefa tsy manokana fotoana hihainoana ny Tenin’ Andriamanitra ny olona dia latsaka amin’ny fandrik’i satana.
2-Tsy mahita fitahiana
Ny sokajin’olona rehetra teo amin’Israely no nivadika tamin’ Andriamanitra . Isan’izany ireo tomponandraikitra ara-pivavahana izay tokony hitaiza sy hitarika ny vahoaka amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra . Nandao tanteraka an’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely. Niaina tamin’ny faharatsiana lalina tokoa. Vokatry ny fanadinoana an’ Andriamanitra dia rava ny fiainany . Tsy misy fiainam-pitahiana ho azy ireo intsony : »efa nahafoy Ahy , loharanon’ aina izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany , nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano « (and13). Na toy inona na toy inona ezaka itondran’ny olona ny fiainany, rehefa tsy miaraka amin’ Andriamanitra dia tsy mahita fitahiana izy .
Fanontaniana:
Nahoana no manadino an’ Andriamanitra ny olona rehefa milamina ny fiainany ?
0 Commentaires